Fondation Mohamed VI

«Tanjona ny hahafoana ny hanohanana eto Madagasikara»


  • Zoma 22 Martsa 2024

Nampahafantarina omaly ny fijoroan’ny rafitra na «fondation» Mohamed VI

Des Oulema Africains eto Madagasikara, etsy Talatamaty. Fikambanana lehibe eto Afrika ity rafitra ity, hoy ny filohany eto Madagasikara, Hamidou Ali, ary ivondronan’ireo avara-pianarana amin’ny sehatra Islamika. Ny mpanjakan’i Maraoka, Mohamed VI, no filohan’ny rafitra aty Afrika. Miisa 48 ny rantsa-mangaikany eto Afrika. Tanjona ny fampielezana ny finoana Silamo izay mifototra amin’ny fifamelana, fifanampiana, firahalahiana, fandriampahalemana. Izay no fototra apetraka ahafahana mametraka ny fitoniana sosialy, ny fiharian’ny zanak’olombelona eto Afrika. Tafiditra ao anatiny ny asa fifanampiana, fanohanana ny mpiara-belona. Misy, noho izany, ny fizarana vary 25kg, menaka 2 litatra, ronono 1kg avy ho ana tokantrano miisa 200. Na dia mifanitsaka amin’ny volana Ramadany aza ny asa sosialy dia mahazo tombony aminy daholo ny olon-drehetra na Miozolimanina izy na tsia. Misy fiaraha-miasa matotra izahay amin’ireo fokontany sy kaominin’i Talatamaty. Tanjona koa, noho izany, ny fanatsarana ny fiarahamonina na eo aza ny fahasamihafana ara-pinoana, hoy hatrany ny tenany. Maraoka moa no nitondra ny finoana Silamo teto Afrika, hoy kosa ny fanazavan’ny ambasadaoron’i Maraoka eto amintsika. Iray volana izahay no mifady hanina fa misy olona mifady hanina mandava-taona any ka fotoana tokony hifampizarana, noho izany, ny Ramadany ary ny tanjona dia ny hoe ho foana hatreo ny hanohanana eto Madagasikara, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT