Fondation AXIAN

Notolotra lamba firakotra mafana ho an'ireo manana fahasembanana


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Ny 30%-n’ny mponina eto Madagasikara no fantatra fa manana fahasembanana.

Miseho amin’ny endrika maro izy io, antony tsy hahitan’ny sasany asa fivelomana mihitsy na koa tsy hahazoan’ny vehivavy vady. Betsaka amin’izy ireny anefa no tena manamm-pikirizana, antony nanosika ny Fondation Axian hanolotra fanampiana ho azy ireo. Am-polony maro omaly teto an-drenivohitra no notolorana bodofotsy mafana. Ankoatra ity farany dia nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Fondation Axian fa manome vola isam-bolana ireo olona manana fahasembanana ihany koa izy ireo mba handoavan’izy ireny ny saram-pianaran-janany sy ny hofantranony ho an’ireo tena sahirana. Manampy ireo fikambanana miahy ny ankizy kamboty ihany koa ny fikambanana, miezaka mampitombo ny tahan’ny zaza Malagasy miditra an-tsekoly amin’ny alalan’ny fananganana EPP raha tsy latsa-danja amin’izany ny fananganana CSB hahafahan’ny mponina mitsabo tena.
Pati
Legende :
Tsy ireo olona manana fahasembanana ihany fa tsy diso anjara ihany koa ny vehivavy sy ny ankizy sahirana 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT