Tsy lanonam-pikoranana tahaka ny “Festival de la baleine” na ny “Donia” … ny Sambatra, hoy ny AZAM (Association des Zafiraminia pour l’Avenir de Mananjary) izay nosoloin’i Tsito sy Alain Roger tena nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo teto Antananarivo. Fomban-drazana mihatra aman’aina io ka tsy tokony hanaovana fitadiavana
hafahafa na “business”. Tsy mbola mitsangana amin’ity faran’ny herinandro ity ny komitin’ny Sambatra , hoy izy ireo, fa ny orinasa Dago Activity manana foibe eny Ankadikely Ilafy aloha hatreto no nahazo alalana hifampisera amin’ireo malalatanana mpanao asa soa ho fanomanana azy io. Tsy tokony hisy mihitsy olon-tsotra na fikambanana hafa, indrindra mpikarakara seho an-tsehatra mahazo mitsabaka amin’ny fikarakarana azy io. Raharahan’ny foko Atambahoaka samirery mantsy ny fanaovana izany ary tsy misy afa-tsy ireo Ampanjaka Zafin-dRaminia Miray (AZARAMI) no tompon-teny farany amin’ity fomban-drazana ity. Tena saropady ny hetsika, miainga amin’ny vavaka fangataham-pitahiana amin’ny Zanahary sy ny razana ary mbola misy fijerena sorabe ihany koa amin’ny fanatanterahana azy. Amin’ity taona ity dia ny zoma 3 ka hatramin’ny zoma 31 oktobra no hanatanterahana ny sambatra any Mananjary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.