Actualités

Fomban-drazana Antambahoaka any Mananjary Ny Ampanjaka ihany no tompon’ny teny farany amin’ny Sambatra


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Tsy lanonam-pikoranana tahaka ny “Festival de la baleine” na ny “Donia” … ny Sambatra, hoy ny AZAM (Association des Zafiraminia pour l’Avenir de Mananjary) izay nosoloin’i Tsito sy Alain Roger tena nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo teto Antananarivo. Fomban-drazana mihatra aman’aina io ka tsy tokony hanaovana fitadiavana hafahafa na “business”

 Tsy mbola mitsangana amin’ity faran’ny herinandro ity ny komitin’ny Sambatra , hoy izy ireo, fa ny orinasa Dago Activity manana foibe eny Ankadikely Ilafy aloha hatreto no nahazo alalana hifampisera amin’ireo malalatanana mpanao asa soa ho fanomanana azy io. Tsy tokony hisy mihitsy olon-tsotra na fikambanana hafa, indrindra mpikarakara seho an-tsehatra mahazo mitsabaka amin’ny fikarakarana azy io. Raharahan’ny foko Atambahoaka samirery mantsy ny fanaovana izany ary tsy misy afa-tsy ireo Ampanjaka Zafin-dRaminia Miray (AZARAMI)  no tompon-teny farany amin’ity fomban-drazana ity. Tena saropady ny hetsika, miainga amin’ny vavaka fangataham-pitahiana amin’ny Zanahary sy ny razana ary mbola misy fijerena sorabe ihany koa amin’ny fanatanterahana azy. Amin’ity taona ity dia ny zoma 3 ka hatramin’ny zoma 31 oktobra no hanatanterahana ny sambatra any Mananjary.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT