Vaovao avokoa ny fanamiana nentin’ny foloalindahy niatrika ny matso teny Mahamasina omaly 26 jona, fanomezana avy any amin’ny filoham-pirenena .....
ireo fanamiana ireo, hoy ireo manamboninahitra nanontaniana. 3 219 no isan’ireo nimatso, 1 200 ny miaramila, 617 ny zandary, 316 ny polisy. Nandray anjara mavitrika tamin’ny matso ihany koa ny mpiandraikitra ny ala, ny mpandraharahan’ny fonja ary ireo mpamonjy voina avy eto Antananarivo Renivohitra. Tamin’ny 10 ora maraina no nisokatra ny lanonana ary nampiavaka ny fety tamin’ity 2014 ity ny dihy mirindra nampisongadina ny kolontsain’ny lafivalon’ny nosy sy ny firaisankinan’ny Malagasy nasehon’ireo mpianatra 210 avy ao amin’ny LMA Ampefiloha. Taorian’ny matso, niara-nisakafo tamin’ireo vahiny nasain’izy ireo teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy Rtoa vadiny, ary mbola niverina nijery ny Podium teny Mahamasina ny hariva
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.