Tonga nanao veloma ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenana ny Jeneraly Rakotozafy Dominique, Minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha izay handeha hisotro ronono.
Nisaotra sy nankasitraka azy tamin’ny zava-bitany teto anivon’ny Tafika sy ny sehatry ny Fiarovam-pirenena ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ankehitriny raha nandray azy tao amin’ny toeram-piasany tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ankoatra ny naha minisitry ny fiarovam-pirenena azy ny taona 2014-2016 dia efa nisahana andraikitra maro samihafa ity jeneraly ity nivoaka tamin’ny andiany faha-11 ity. Ankehitriny dia ny Jeneraly Rakotonirina Richard no hany « Général de Corps d’Armée » am-perinasa eo anivon’ny Tafika Malagasy. Efa lasa nisotro ronono ny Minisitry ny fiarovana telo aloha mitovy laharam-boninahitra taminy, dia ny Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, ny Jeneraly Roger Ralala, efa minisitry ny fiarovana ary sekretera jeneraly teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Iray ihany koa ny “Général de corps d’armée » mbola am-perinasa, ho an’ny zandarimariam-pirenena, dia ny jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria satria efa lasa nisotro ronono ny Jeneraly Didier Paza, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria teo aloha, ny Jeneraly Herilanto Raveloharison Minisitry ny toekarena teo aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.