Ao anatin'ny fihibohafana tanteraka ny Malagasy izao, indrindra eto Analamanga.
Tsy izay no nitranga amin ny fokontany maro fa miasa mangina. Tsy nisy fampandrenesana na filazana fa efa vita ny famindram-pahefana vao samy taitra. Iza no nanendry. Iza no tendrena vaovao. Efa voasolo tanteraka ary voalaza fa ny olona ao anatin ny fitondrana amin izao daholo ny tompon toerana. Rehefa nohadihadiana,ho an'ny fokontany Anosipatrana Atsinanana,Andrefana, Ampangabe Anjanakinifolo dia efa vaovao avokoa. Antokon'ny fitondrana teo aloha , hono ka tsy mety intsony. Ny rainy sy ny zanany izao no miara-miasa izay sady mpitantsoratra no mpitam-bola na ny fianakaviana akaiky. Ny komity loharano teo dia izy rehetra no ao. Marihina fa ny depiote voafidy miaraka amin'ny fitondrana. Re koa izao fa anjaran ny filoham-pokontany ny manafaka ka efa any ho any ny solony. Efa nahitana savorovoro noho ny fanoloana olona ihany koa ny teny Ambohipo sy Andavamamba, fantatra fa fokontany 32 voakasik'izao fanovana izao. Ilaina ny tsy misara mianakavy fa mety hahasoa ny vahoaka tokoa ve?
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.