Actualités

FOKONTANY FIADANANA ANTSIRABE Izay vao manana ny biraony


  • Talata 05 Aogositra 2014

Vita ary notokanana ny sabotsy 02 aogositra lasa teo ny Biraom-pokontany Fiadanana, Kaominina Antsirabe voalohany

Nambaran’ny sefom-pokontany  any an-toerana fa ezaky ny fokonolona no nahavitana ny 60 %-n’ity  fotodrafitrasa ity dia ny biriky sy ny hazo. Ny tafo sy ny lalotra no fanampiana tamin’ny malala-tanana ka anisan’ny nanome tanana azy ireo ny lefitra voalohan’ny delegasiona manokana, Atoa Randrianarison Olivier. Hatramin’izay moa dia tany an-tranon’ny sefom-pokontany no miasa ny tenany ka zava-dehibe ny nahavitan’ny trano izay mitentim-bidy 3 tapitrisa ariary teo ho eo. Raha ny fanazavany dia marefo tanteraka ny fidiram-bola eo amin’ny fokontany ka naharitra fotoana lava vao vita ny asa. Teo aloha mantsy mba nisy ihany ny tamberim-bidy niditra tao amin’izy ireo tamin’ny alalan’ny tsenan’omby, saingy nesorin’ny kaominina ka dia tsy manana fidiram-bola intsony ny fokontany. Etsy an-daniny dia saika mpamboly sy mpiompy madinidinika ny mponina ao amin’ny fokontany ka sahirana ara-bola ny mponina. Araka izany, tsy nisy fandraisan’anjaran’ny fanjakana tanteraka ny fotodrafitrasa na dia rafi-panjakana ifotony aza ny fokontany. Tonga nitokana izany moa ireo mpitondra fanjakana  ka fantatra fa mbola manodidina ny 20 amin’ireo 60 no tsy manana biraom-pokontany ao Antsirabe.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT