FOKONTANY ANDRANOVELONA

Nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nisitraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny Fokontany Andranovelona. Omaly no nanolorana izany tamim-pomba ofisialy,

notontosain’ny ekipan’ny STAR sy ny ekipan’ny ozinina. Mitohy hatrany ny fanampian’ny ozinina SEMA Eau Vive ity Fokontany iray ity. Miisa valo ireo jiro ireo. Raha araka ny fantatra, dia ny jiro amin’ny trano manamorona ny arabe no mitaratra ny tanànan’Andranovelona hatramin’izay. Ankehitriny, tsy hazavàna ihany no hositrahan’ny mponina avy amin’izao foto-drafitrasa izao fa fiarovàna amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina sy ny hirika hahafahan’izy ireo manohy ny asany amin’ny hariva ihany koa. Amin’ny maha-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro azy dia vao manomboka milentika ny andro dia efa manomboka mirehitra ireo jiro ary tsy lefy ny hazavàny raha tsy efa hiposaka indray ny masoandro. Nanampy ny STAR tamin’ny fitadiavana ny toerana mety indrindra hametahana ireo andrin-jiro fitoeran’ireo jiro ny tompon’andraikitra avy amin’ny Fokontany Andranovelona mba hisitrahan’ny rehetra ny hazavàny. Ankehitriny dia mazava avokoa ny làlana manamorona ny fidirana sy ny fivoahana ny tanànan’Andranovelona isan-kariva na anatin’ny fahatapahan’ny herinaratra aza indraindray. Raha tsiahivina dia efa 53 taona izay no nisian’ny ozinina SEMA Eau Vive Andranovelona, ary tamin’ny alalany no nahafahan’ny STAR nandray anjara tamin’ny fampandrosoana azy amin’ny alalan’ny fitondrana ny anjara birikiny ho an’ny mponina ao an-toerana. Araka izany dia manamafy ny fitsinjovany ny mpiara-belona aminy ny STAR amin’ny alalan’ny hetsika RSE tahaka ity fanolorana ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT