Fokontanin'Ambohitrakely

Tafahoatra ny fitadiavam-bolan'ny mpitantana


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Velon-taraina ankehitriny ireo mponina eny amin'ny Fokontanin'Ambohitrakely satria dia tafahoatra

ny fitadiavam-bolan'ny mpitantana ity fokontany ity, raha ny nambaran'ireo nitaraina manoloana ny zava-misy. Nanampaka ireo, hoy ny renim-pianakaviana iray, fa tsy maintsy misy ny fanadiovana faobe ny fokontany isam-bolana. Efa nisy izany tamin'iny volana oktobra iny ary nisy koa ny sabotsy 2 novambra teo. Tsy dia ny fisian'ny asa fanadiovana ny fokontany na ny tanana sy asam-pokonolona loatra no olana fa ilay izy ohatran'ny iniana atao amin'ny andro maraina be fakana aina mihitsy no sady ohatran'ny afinkafenina koa amin'io ny filazana sy fanentanana momba izany. Andro sabotsy amin'ny 6 ora sasany maraina foana no hanaovana izany dia ilay filazana koa efa hariva be mialohan'izany hetsika izany foana matetika vao miainga na tamin'izany mbola tsy natao isam-bolana aza. Amin'izay ve izany vitsy ny olona tonga dia betsaka ny olona ho terena handoa ilay dina 5000 Ariary, hoy hatrany ny nambaran'ireo mponina? Tsy amin'iny lafiny ihany fa na amin'ny resaka fikarakarana taratasy aza dia tsy toy ny any amin'ny fokontany hafa ny aty fa tena mihoam-pampana ny vola alain'ny mpitantana, hoy indray ny raim-pianakaviana iray. Any amin'ny fokontany hafa izao 2000 Ariary no manao izany atao hoe "certificat de vie" na sertifika manamarina fisiana izany nefa aty 5000 Ariary. Ny ataon'ny delestazy sy tsy fisian-drano ambakan'ny fidangan'ny vidim-piainana efa tsy zaka dia mbola ampiriatina amin'izany koa ny vahoaka madinika. Sabotsy izany nefa tena fidiram-bola ho anay mpiasa tena saingy ireo mpiasan'ny fokontany ao anatin'izany mitango vola toy izany amin'ny alalan'ny fametsifetsena, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity. Miantso ny tomponandraikitra mba hijery akaiky ny zava-misy eny an-toerana, noho izany, ireo mponina.
J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT