FOIRE DIGITALE » voalohany eto Madagasikara

Mpitsidika 35 000 mahery no andrasana ny 28 aprily-04 mey izao!


  • Zoma 25 Aprily 2025

Hotanterahina ny 28 Aprily hatramin’ny 04 Mey 2025 ny “Foire Digitale” na

tsenabe an-tserasera voalohany eto Madagasikara, hetsika goavana karakarain’ny Vidy Varotra sy ny tranonkala Ketrika.com, hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa, na aiza na aiza toerana misy azy, na eto an-toerana eny fa hatrany ivelany amin’ny alalan’ny internet. Namafisin’ny mpikarakara sy ireo mpiara-miombon’antoka omaly, fa efa mipetrapetraka ny zava-drehetra, karazan’entana mihoatra ny 3000 no ho azon’ny rehetra jerena sy vidiana ao amin’ny ketrika.com, ahitana fihenam-bidy manokana mandritra ny 7 andro, tolotra voafetra, lavanty,… izay azo antoka 100% na ny entana na ny tolotra, raha ny fanamafisan’ny mpikarakara. Tsy hijanona amin’ny aterineto ihany anefa ny hetsika, fa ny 4 mey izay fotoan-dehibe famaranana, dia hisy fandraisana manokana eny Novotel Ivandry, ahafahan’ny olona mitsidika mivantana, mampiasa solosaina manokana (mihoatra ny 200 isa) hijerena sy hividianana entana ao amin’ny Ketrika.com. Hisy ihany koa ekipa teknisianina hanome toromarika sy fanampiana mivantana ho an’ny mpanjifa. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny ekonomia nomerika sy ny tontolon’ny « e-commerce » izay takian’ny vaninandro ankehitriny ho fanamorana ny fiainana andavanandro moa ny hetsika tahaka ity « foire digitale » izay sambany eto Madagasikara ity, ary efa fanta-daza amin’izany ny ketrika.com izay ankoatra ny tsena an’habaka na «vente en ligne » dia isan’ny ahafahantarana azy ohatra ny fivarotana tapakila amin’ireny fampisehoana goavana eto amintsika ireny,... Tombanana ho maherin’ny 35 000 eo ireo mpitsidika an-tserasera hitsidika ny tranonkalan’ny ketrika.com mandritra io 7 andro io, raha ny fanazavana. Vonona tanteraka noho izany ny Vidy Varotra sy Ketrika.com miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka toa ny Makiplast (Sponsor Officiel) mandritra ny hetsika, Le Louvre Hôtel & Spa (Sponsor Silver), Scofield Travel (Partenaire Pro), ary ireo haino aman-jery mpiara-miasa : Kolo FM / TV, TOP Radio, Natiora Radio,…
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT