Tapa-bolana tsy hanombohan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida izay tsy misy afa-tsy dimy andro
mora no hahafahana mandray izany (5-10 Septambra), namoaka filazana ny Foibe Fitatanan-draharaha momba ny hetra hoan'ireo hirotsaka kandida. Nohamafisina ny fisian’ireo lalàna, toy tovana faha-4 amin'ny Didim-panjakana faha-2024-1796 ny 06 aogositra 2024 mamaritra ny modelin'ireo taratasy takiana amin'ireo kandida hilatsaka ho fidiana Ben'ny tanàna, amin'ny 11 desambra 2024 sy ny andininy faha 272, ao amin'ny Lalàna faha 2014-020 ny 27 Septambra 2014, mikasika ny loharanom-bolan'ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fombafomba arahana amin'ny fifidianana sy ny fandaminana ny fomba fiasa ary ny andraikitr'ireo ratsamangaika. Notsiahivina fa "ny fanaovana ny filazana ara-ketra sy ny fandoavana ireo hetra sy haba ao anatin'ny fe-potoana napetraky ny lalàna ary fanefana ireo trosan-ketra rehetra no ahafahan'ireo kandida manamarina ny maha-mpandoa hetra ara-dalàna azy". Ankoatra hetra izay voafaritry ny lalàna, dia tsara no mampahatsiahy fa manomboka 1 200 000Ar hatramin’ny 20 000 000Ar ny anto-bola ho an’ireo kandida ben’ny tanàna arakaraka ny sokajin’ny kaominina. Nakarin’ny fitondrana hatrany ny anto-bola niainga tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka,… izay kajy politika entina hanintsanana kandida. Toa lasa fanangonam-bola ho an’ny Fanjakana avy amin’ireo kandida, na dia misy aza ny fanohanana iraisam-pirenena tamin’ireo fifidianana efa nandeha sy ny fisiana sora-bola ao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, ka ny amin’ity kaominaly ity izao dia 52 miliara no voafaritra hanaovana fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.