Actualités

Foibe famantarana ny toetry ny andro «Tsy tokony hahagaga ny havandra»


  • Zoma 26 Mey 2023

Tsy misy tokony hahagaga ny havandra sy ny orana nitranga omaly hariva tamin’ny faritra maro, indrindra, ny afovoantany,

hoy ny foibe famantarana ny toetr'andro. Nitombina tanteraka ny vinavina izay navoaka, hoy ny fanazavana. Hitohy anio izany volon’andro izany ka ilana fahamailoana sy fiomanana. Mikasika ny havandra, azo lazaina fa ny orana sy ny rivotra mangatsiaka no mampivaingana sy mampilatsaka ety amin’ny tany ireo lehibe tsy levona eny ana habakabaka. Raha ny omaly aloha dia tsy niteraka fahasimbana goavana ny filatsahan'ny havandra teto an-drenivohitra. Tany amin’ny faritra manodidina no nahitana voly avotra sy ny anana ringana tanteraka. Toy izao ny tombatombana anio zoma 25 may 2023 araky ny vinan'ny foibe famantarana ny toetry ny andro ; ny maraina dia hisy sisan'orana tandrifin-drahona any Sava sy Analanjirofo. Hanorana malefaka ny any amin'ny morontsiraky ny faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Handrahona ny any amin'ny ilany atsinanan'ny afovoan-tany. Hibaliaka ny masoandro amin'ny ny faritra sisa. Ny Tolakandro dia hisy orana tandrifin-drahona any Diana, Sofia, Sava, Analanjirofo ary any amin'ny morontsirak'i Atsinanana sy Vatovavy. Handrahona ary mety harahina orana tandrifin-drahona ny any Alaotra Mangoro, Fitovinany ary ny ilany atsinanan'Analamanga sy Amoron'i Mania. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT