FOFIFA

Manome 72ora hialan’ny Tale Jeneraly ny mpiasa


  • Talata 30 Jolay 2024

Manome 72 ora hialan’ny Tale Jeneralin’ny FOFIFA na ny Foibem-pirenena momba ny

Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra ny mpiasa eo anivon’ity ivon-toerana ity, araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly teny amin’ny Foibeny eto Antananarivo. Milaza ny mpiasa fa tsy mahomby, ary mikoroso fahana tanteraka ny FOFIFA, ka lasibatra sy anaty loza arak’asa izy ireo. « Na ny karaman’ny mpiasa aza tsy nandray, ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka mikorosy fahafana tao anatin’ny 3 volana. Raha mitohy izany dia hiteraka fikatsoana tanteraky ny FOFIFA. Izahay anefa mivelona amin’ny tetikasa », hoy ireo mpiasa tamin’ny alalan’Atoa Randrianarivo Célestin. « Miangavy anao am-panajana hiala, handray fepetra izahay, hiafara amin’ny fihetsiketsehana hitakianay ny hetahetanay, hahafahanay manova ny orinasa, araka ny nikelezan’ny mpitantana sy mpiasa aina hatramin’izay », hoy hatrany izy ireo tamin’i Dr Razafindraibe Rolland. Manome 72 ora ny mpiasa, ka raha tsy tanteraka izany, dia hiroso amin’ny fitokonana faobe manerana ny Nosy, raha ny nambaran’izy ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT