Feno 40 taona amin’ity taona ity ny FOFIFA na ny FOibem-pirenena momba ny FIkarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra
Nankalaza izany teny amin’ny foibeny teny Ambohimitsimbina omaly alarobia 2 jolay ny tao amin’ny minisiteran’ny fambolena notarihin’ny minisitra Ravatomanga Roland sy ireo olomanankaja maro nasaina. Nambarany fa maro ny vokatra azo tao anatin’izay taona izay. Anisan’ireny ny fampivadiana karazam-bary (croisement) maro isan-karazany, ny fahatafavoahana karazam-panafody famonoam-balala (SP9). Nolazainy koa fa ny FOFIFA no nikaroka ny fanatanterahana ny fiaraha-miombon’antoka nahatanteraka ny tetikasa rehetra. Nambaran’ny minisitra ampahibemaso omaly fa efa vita ny taratasy rehetra momba ny fampidirana ho mpiasam-panjakana raikitra ireo “prestateur de service” na mpiasa manala sahirana sy ny “contractuel” na ireo mpiasa tsy raikitra fa miandry ny fanendrena sisa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.