Raha vao miresaka lalana, hoy Raobelina Rafenomanjato tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly, dia Ravalomanana izay no ao an-tsaina satria izy no nahavita lalana be indrindra tamin’ireo mpitondra an’i Madagasikara nifandimby.....
. Ny tsy fahatongavany eto an-tanindrazana noho izany no mampihisatra ny fampandrosoana. Tsy mendrika an-dRavalomanana ny fanenjehana satria nampandroso no nataony tamin’ny fotoan’androny, hoy ity mpikambana taloha tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity. Misaotra ny fitondrana amin’ny fanarenana ny Tiko, izay nisy saika nanao lavanty tamin’ny taona 2012 fa voasakan’ny vahoaka Malagasy. Tsy misy fandrosoana mihitsy eto an-tanindrazana fa na ny Makis aza mivarina sokajy. Tompon’andraikitra amin’ny firenena isika eto an-kianja satria manohana ny fitondrana ka izay no hanaovana antso avo amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hoe : henoy ny tabataban’ny vahoaka an-kianja. Mandeha izao ny feo ary marina fa matoa afaka mody i Marc Ravalomanana dia i Hery Rajaonarimampianina ary raha tsy afaka dia mbola izy ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.