Actualités

Fodian-dRavalomanana I Kolo ihany no Beriziky


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Tsy mbola laharam-pahamehana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, hoy ny praiminisitra Kolo Roger ny alakamisy lasa teo raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy. Dia efa voavaly sahady izany ny fitakian’ny Amerikanina ny amin’ny fampiharana ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, hahafahan’ireo sesitany politika miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra. Mitovy amin’ny fomba firesaky ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Jean Omer Beriziky ihany ny an’i Dr Kolo Roger momba ity fodian’ny sesitany politika ity. Raha vantany vao voatendry praiminisitra izy mirahalahy ireto dia nilaza fa izao vao handray ny asa ka aleo dinihana tsara aloha ity raharaha ity......

Tsy tokony hisy olana mihitsy ny fodian-dRavalomanana fa misy zavatra tsy maintsy alamina aloha, hoy indray tao aoriana kely. Avy eo manizingizina ry zareo fa tsy ny fodian’ny filoha teo aloha izao no maika fa ny fiainam-bahoaka, tsy mbola laharam-pahamehana izany fodiana izany.

Samy olona tena akaiky ny Frantsay na i Omer Beriziky na i Kolo Roger

Nisy ny resaka nivoaka tamin’ireny vanim-potoanan’ny tetezamita ireny hoe : anisan’ny iraka nampanaovina ny praiminisitra Beriziky ny fanakanana amin’ny fomba diplaomatika ny fodian’ny filoha teo aloha eto an-tanindrazana, izany hoe tsy manao fiteny mahery izy na mitratrevatreva fa manda am-pitoniana io fodiana io amin’ny hoe : tsy mbola feno fepetra ary mandresy lahatra ny rehetra mba hanaiky fa tsy mbola izany aloha izao no maika. Dia tsy mbola tafody tokoa i Dada ary nanaiky izany ny rehetra. Tonga indray ity i Kolo Roger dia io fa toa manomboka indray ilay fanakanana ara-pomba diplaomatika sy fampihemorana lava ny valin-teny tena marina. Tsara homarihana fa samy olona tena akaiky ny Frantsay na i Omer Beriziky na i Dr Kolo Roger. Misy mihitsy aza no mihevitra fa mety hampisafidianan’ny fitondrana misy amin’izao fotoana mihitsy Atoa Marc Ravalomanana hoe : na ianao mody dia tsy mihetsika aloha ny orinasa Tiko, na ny Tiko miverina miasa tsy misy sakantsakana fa ianao mijanona any Afrika Atsimo aloha. Mbola tanora loatra ny demokrasia eto Madagasikara, hoy i Kolo Roger ka aoka aloha fa sao misy manararaotra hambolena korontana ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto. Ka andrasana ho antitra ve izany ilay demokrasia Malagasy sa andrasana ho hendry ny mpanao politika vao avela hiditra eto i Dada ? Izany ve tsy efa fampiesonana manara-penitra e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT