FOARABEN’AMBOHIDRAPETO

« Tratra ny tanjona, mitohy ny asa fampandrosoana »


  • Zoma 20 Jona 2025

Tratra ny tanjona tamin’ilay hetsika Foaraben’Ambohidrapeto andiany voalohany

karakarain’ny kaominina Ambohidrapeto eny Antsahamasina. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Andriantsilavo Mihary mantsy dia natao indrindra hanampiana ireo tantsaha mpamokatra sy mpanao asa tanana izany no sady hanokafana amim-pomba ofisialy ny fetin’ny 26 Jona ihany koa, hamalifaliana ny vahoaka. Avy hatrany dia hiragasy be nosantarin-dRamilison Besigara sy Rasoalalao Kavia no nanombohana izany omaly Alakamisy 19 Jona izay nahavory olona marobe tokoa. Haharitra 8 andro ny hetsika izany hoe : tsy hifarana raha tsy ny datin’ny 26 Jona ho avy izao ary ezahina hotohizana isa-taona. Ankoatra ity foarabe ity dia notanterahina omaly ihany koa ny fanoloran’ny Ben’ny tanana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 25 ho an’ny Fokontany Antsahamasina hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana raha miisa 100 ny fanamby napetrany. Toraka izany koa ireo solosaina miisa 2 ho an’ny ZAP ao Ambohidrapeto entina hanatsarana sy hampivoarana ny sehatry ny fanabeazana eny amin’iny faritra iny. Tsy latsa-danja amin’izany ny asa fanadiovana faobe. Mitohy ny asa fampandrosoana araka izany ho an’ity kaominina ity ho tombontsoan’ireo vahoaka eny ifotony.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tananan’Ambohidrapeto, Andriantsilavo Mihary sy ireo olom-boafidy miaraka aminy nanokatra ny lanonana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT