FOARA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAMBOLENA

Tafakatra 300 ny trano eva handray


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

anjara, hanafana ny lanonana i Samoela

Herinandro mahery eo sisa dia higadona ilay hetsika lehibe nomanin'ny Madavision eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato. Ny datin'ny 04 ka hatramin'ny 07 Septambra ho avy izao mantsy no hanatanterahana ny Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono eny an-toerana hotronin'ny andiany voalohany amin'ny Foara iraisam-pirenena momba ny sakafo. Nambaran-dRandrianasolo Hery, tompon'andraikitra ny serasera eo anivon'ny Madavision fa natao indrindra hifanakalozana traikefa sy hitadiavana lalam-barotra ho an'ireo mpandray anjara ity hetsika ity. Efa tafakatra 300 isa ireo trano eva vonona hatreto, hoy hatrany ny vaovao azo omaly hampiranty ny vokany avy any anaty tany ka hatreny am-bilia. Hampiavaka ny hetsika ny fahatongavan'i Samoela hanafana ny lanonana izay tsy zoviana amintsika intsony. Ny datin'ny Sabotsy 05 Septambra manomboka amin'ny 04 ora hariva no hiaka-tsehatra ity mpanankato ity izay sady hanala hamohamo ny rehetra noho ny fahatongavan'ny faran'ny herinandro. Anisan'ny mpanohana ofisialy ny hetsika moa ny orinasa Star izay hanana trano eva manokana raha araka ny fanazavan-dRamatoa Fanou Raveloarison. Hohampahafantarin'izy ireo ny mpitsidika mandritra izany ny mikasika ny famatsiana ireo akora fototra momba ny fanamboarana ny zava-pisotro labiera izay hanomezana fiofanana manokana ireo tantsaha mpamokatra mihitsy.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Madavision sy ireo mpanohana ofisialy nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT