Actualités

Foara «FIM 2010» Efa voafandrika ny 95%-n’ireo tranoheva


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Ny 6 ka hatramin’ny 9 martsa izao no hanatontosana ny FIM 2010, hetsika ara-toekarena iraisam-pirenena ahitana ny fandraisana anjaran’ireo mpandraharaha avy amin’ny firenena vahiny fito toa an’i Frantsa, Pakistan ary Egypta.

Noho ny hamaroan’ireo mpandray anjara ireo dia nafindra eny amin’ny Centre de Conférence Internationale Ivato ny FIM andiany faha-5. Mahazaka tranoheva 300 ity toerana ity izay malalaka kokoa raha oharina amin’ny Business Futura Parc Andranomena. Raha ny nambaran’ny mpikarakara dia efa voafandrika sahady izao ny 95%-n’ireo tranoheva ireo. «Midika izany aminay fa manana fahavononana ny hitraka ny sehatra tsy miankina malagasy ary ho an’ireo avy any Dilambato indray dia tsy sakana ho azy ireo ny krizy fa lasa tosika mampivoatra aza” hoy i Michel Ramiaramanana.

Maro an’isa ny Frantsay
Marihina fa manana anjara toerana lehibe tokoa amin’ity hetsika ity ry zareo Frantsay. Tranoheva 80 be izao no tantanin’ny Ubifrance sy ny CCIFM izany hoe ifampizaran’ireo mpandraharaha frantsay avy any Frantsa, La Réunion, ary Mayotte. Manomana famelabelaran-kevitra momba ny fivoaran’ireo teknolojiam-pifandraisana eto an-toerana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampahafantarana ireo karazana divay frantsay koa ny Ubifrance amin’ity FIM 2010 ity. Sambany koa amin’ity no tontosaina eto Madagasikara ny tetikasa Volontaires Internationaux en Entreprises na VIE izay misy mpandray anjara 37. Ny VIE araka ny fanazavan’i Véronique Parquier, tompon’andraikitry ny raharaha ara-toekarena eo anivon’ny masoivoho frantsay dia ny fanatontosan’ireo tanora mpianatra frantsay fiofanana eny anivon’ny orinasa mialoha ny hahazoany ny maripahaizany. Atolotra mandritra ny hetsika ny valisoa ho an’ireo mpianatra telo hita ho navitrika indrindra tamin’ny fiofanany.
 
Raha ny fanazavan’ny mpikarakara dia ireo orinasa eo amin’ny sehatry ny Agribusiness no maro an’isa. Misy rahateo ny atrikasa karakarain’ny ONUDI ho an’ireo mpandraharaha Malagasy miisa 50 miasa eo amin’ity sehatry ity izay iresahana momba ny fikatsahana mpiara- miombon’antoka sy lalam-barotra any ivelany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT