Actualités

Foara Anjara hetrako “Nisy fakana vola tsy ara-dalàna”


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Rehefa nahafantatra ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra na DGI fa nisy ny fakana vola tsy ara-dalàna

nataona andian'olona ivelan'ny DGI nandritra ny hetsika “Anjara Hetrako” teny amin'ny Tsenabe Bypass dia nanapa-kevitra ny hanajanona ny fandraisana anjara amin'ny foara, hoy ny filazana nampitain’izy ity rafitra ity omaly. Ny DGI dia manameloka tanteraka izany fanararaotana izany, hoy ny voalaza. Mankasitraka antsika rehetra nisafidy ny ho ara-dalàna ary mampanantena kosa ny besinimaro fa tsy maintsy hisy ny hetsika “Anjara Hetrako” eto Analamanga tsy ho ela, hoy hatrany ny voambara. Ahoana kosa izany etsy ankilan’izay ny fanadihadiana momba izany fakana vola tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izany? Ho vita hatreo amin’ny fanamelohana fotsiny ve? Ahoana ny fanonerana ny volan’ireo olona heverina ho voambaka tao anatin’izany? Ho toy ireo raharaha hafa mampametra-panontaniana marobe amin’izao fotoana ve? Isan’ny fanontaniana manitikitika!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT