Tany amin’ny 283 Km avaratr’i Besalampy no nisy ny foiben’i DIKELEDI omaly 12 janoary tamin’ny 3 ora tolakandro,
araka ny tatitry ny Foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro. 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana izy ka nahafaka 34 Km/ora. Miverina mitoetra indray ny oram-baratra manomboka eto ka mety hanatombo ny rotsak’orana amin’ny faritra maro, indrindra ny avaratra andrefana. Hikorontana hatrany ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra sy afovoany andrefana, hoy ny fampitam-baovao. Foana ny filazana rehetra mikasika ny rivodoza. Mitoetra kosa ny fampitandremana amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsak’orana. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Besalampy mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza, hoy ny toromariky ny Foibe Famantarana ny mety ho toetry ny andro. Toy izay ihany koa ny eo anelanelan’ny Besalampy sy Morombe manomboka rahampitso maraina. Mitoetra ihany koa noho izany ny fanentanana ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.