Tontosa omaly maraina teny Isoraka ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny FLM ( ny Fiangonana Loterana Malagasy) sy ny CNaPS (Tahirim-pirenena momba ny Fiahiana ara-tsosialy).
Tanjona ny hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo mpiasan’ny FLM satria maro ireo misedra olana rehefa handeha hisotro ronono.« Betsaka ny fitarainana tonga aty amiko rehefa handeha hisotro ronono ireo mpiasan’ny FLM » hoy ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy ny Pastora Dr Rakotonirina David ; ka amin’ny maha ray aman-drenin’ny fiangonana ny tenany dia zava- dehibe hoy izy ny fiarahana miasa amin’ny CNaPS. Mampiasa olona maro ny FLM satria araka ny antontan’isa dia mahatratra 1 500 ny Pastora, 250 ny vehivavy téôlôjiana, ao ireo katekista. Ankoatr’ireo dia misy ny miasa eny anivon’ny dispensera miisa 40, ny hopitaly lehibe miisa 10, ary maro an’isa ireo mpandraharaha sy mpanabe miasa eny anivon’ny sekoly tsy latsaky ny 700 isa manerana an’i Madagasikara. Ao koa ireo mpiasa manabe ireo jamba sy marenina, ary ireo miantsehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Toy nympiasa amin’ny sehatratsymiankina dia ny CNaPSno mandray an-tànananyfihaiana ara-tsosialin’izyireny. Nambaran’Atoa Arizaka Rabekoto Raoul Tale Jeneralin’ny CNaPS fa eo ny ezaka ataon’ny CNaPS kanefa dia ilaina ny fahavononana toy izao ataon’ny Fiangonana Loterana Malagasy izao satria adidin’ny rehetra ny fifampitsinjovana ara-tsosialy.Taorian’ny sonia dia roso avy hatrany ny asa ka nanainga ho any Maintirano ny ekipan’ny CNaPS sy ny FLM foibe hanatanteraka atrikasa fiofanana momba ny fiahiana ara-tsosialy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.