FIZAKAMANANA ARA-INDOSTRIA

Feno 30 taona ny OMAPI


  • Talata 16 Aprily 2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

fizakamanana ara-indostria sy ho fampiroboroboana ny fiahiana azy ireo ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny OMAPI. Andraikitry ny OMAPI mantsy ny fampahafantarana an’ireo orinasa ny tokony hiarovana ny vokatra ho vokariny sy ny tombontsoa aterak’izany amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy ny amin’ny lafin-javatra hafa koa. Ankehitriny dia mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ara-teknika ireo orinasa avy amin’ny fandaharan’asa ODOF ny OMAPI. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 12 Avrilylasa teo ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Ofisy Malagasy misahana ny Fizakamanana ara-indostria na ny OMAPI. Nanombohana ny taom-pankalazana ny fotoam-pivavahana tetsy amin'ny EKAR Saint François Xavier Antanimena. Nanotrona izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno sy ny Tale misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Tetikasa (DPP) Hanitsoa Ravo Ramahery. Ny MIC izay marihana hatrany fa ministera mpiahy ny OMAPI. Hovoizina mandritra ny taom-pankalazana ny hoe « Miaraka miasa ho an’ny famoronana sy hitondrana haitao vaovao eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny indostria ». Hitohy mandritra ity taona ity moa ny fankalazana ka ny 24 hatramin'ny 26 avrily ho avy izao dia hidina ifotony any amin'ny faritra Vakinakaratra ny OMAPI. Mifanandrify indrindra amin'ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fizakamanana ara-tsaina izany.
Pati
Legende : Ireo ekipan’ny OMAPI !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT