Fizahantany sy tontolo iainana

Tafiditra anatin’ny « Travel green list 2025 » i Madagasikara


  • Alarobia 28 Mey 2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Lisitra iraisam-pirenena izay manasongadina ireo hetsika manavao sy manentana amin’ny sehatry ny fizahantany maharitra izy ity. Tamin’ireo tetikasa iraisam-pirenena maherin’ny 250 nodinihin’ny vaomiera manampahaizana manokana amin’ny fizahantany tompon’andraikitra, dia 50 amin’ireo toerana sy trano fandraisam-bahiny no voasafidy ho ao anatin’ny Travel Green List 2025. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara, noho ny tetikasa « Kivalo Soa Honko » izay tanterahina ao amin’ny tanànan’i Kivalo, manodidina ny 10 km miala an’i Morondava, any andrefan’ny nosy. Voasongadina manokana ity tetikasa ity noho ny fiantraikany tsara eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina. Anisan’ny mampiavaka azy ny fiarovana ny ala honko, ny fampivoarana ny fizahantany ara-tontolo iainana (écotourisme), ary indrindra ny fandraisan’anjaran’ny mponina amin’ny alalan’ny fitsidihana tarihin’ny mpitari-dalana eo an-toerana. Zava-dehibe sy mampiakatra ny lazan’i Madagasikara hahafahana misintona mpizahatany eto amintsika ny zavatra tahaka itony. Manamafy ihany koa fa manan-karena ara-pizahantany i Madagasikara na ny lafiny harena voanjanahary na ny kolontsaina sy fomba amam-panao samihafa. Tsy voatery manafatra biby tsy fahita eto araka ilay serasera nipoapoaka indray taona, fa ny eto no mila harovana sy tandrovana mba ho lovain-jafy. Tahaka izany ihany koa ny lafiny fotodrafitrasa, làlana, fandriampahalemana, ny sidina an’habakabaka,… Mbola mampanongo tena hatramin’izao hoe : nahoana ny Nosy Maurice izay kely sy bitika noho isika no misy mpizahatany 3 tapitrisa isan-taona kanefa ny antsika 3 hetsy isan-taona ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT