Manomboka miarin-doha tsimoramora ny sehatry ny fizahantany na mbola eo aza ny takaitra navelan’ny krizy taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009
Noho ny ezaka tsy ankiato nataon’ny ofisim-pirenena momba ny fizahantany na ny ONTM nampahafantarana ny hakanton’i Madagasikara tany ivelany tany, dia nahatratra 256.000 ny mpizahatany vahiny tonga teto tamin’ny 2013. Telo hetsy no andrasana amin’ity 2014, ho avy rahateo ny fialantsasatra izay vanim-potoana mampitombo ny mpizahatany na “haute saison”, araka ny nambaran’ny minisitry ny fizahantany Ramanantsoa Benjamina Ramarcel. Ity farany izay nandroso fa mpizahatany 1 tapitrisa no tanjona amin’ny 2020.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.