Actualités

FIZAHANTANY Lasa faritra mitoka-monina i Mahajanga


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Azo sokajiana ho faritra mitoka-monina ny faritra Boeny eo amin’ny sehatra ny fizahantany eto Madagasikara ny amin’ny fitokonan’ny mpiasan’ny Air Madagascar manerana ny nosy.

 

 

 Tsy afaka miditra ao Mahajanga mantsy ireo fiaramanidina avy any ivelany. Kaoperativa iray Air Eoah mampitohy an’i Mahajanga sy Mayotte no afaka mivezivezy ao anatin’ny herinandro. Lafo ny saran-dalana no sady tsy maintsy mijanona toerana roa ny mpandeha iray miainga avy ao Mayotte izay vao tafiditra ao Mahajanga. Anisan’ny olana hidirana ao Mahajanga eo amin’ny fitaterana an-tanety ny ora fisokafan’ny tetezana ao Betsiboka izay ora iray hatrany no fe-potoana ahafahan’ny fiara mandalo eo. Matetika anefa dia taraiky ireo fiara avy any an-drenivohitra sy avy any Mahajanga no tonga eo amin’ny tetezana izay amboarina io ka voatery miandry ora maro vao afaka mandalo. Olana goavana ho an’ny fizahantany ity miseho ao Mahajanga eo amin’ny fitaterana ireo mpitsidika ka dia mitady vahaolana ireo mpitantana ny ofisim-paritry ny fizahantany Boeny manoloana ny fitotongan’ny sehatra iray ao an-toerana. Hametrahana “kiosque” iray ny ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izay ny ORT Boeny no hiasa ao ho fanampiana sy fandresen-dahatra ireo mpitsidika mba hisarihana azy ireo ho any Mahajanga. Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatra isika izao ka tokony hisy ny vahaolana atolotry ny fanjakana ho an’ireo mpandraharaha, indrindra amin’ity olan’ny Air Mad ity satria dia potika tanteraka ny fitsidihan’ireo mpizahatany ny faritra Boeny.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT