Fizahantany eto Madagasikara

Mbola mila trandrahana sy hatsaraina bebe kokoa…


  • Talata 13 Aogositra 2024

Nandray mpizahatany 126 422 i Madagasikara tao anatin’ny 7 volana voalohan’ity taona 2024 ity,

raha toa ka 111 105 tamin’ny taon-dasa tao anatin’ny vanim-potoana mitovy, raha ny antontsan’isa navoakan’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tànana. Na eo aza anefa izany fiakarana izany, dia mbola ambanin’ny tamin’ny taona 2019 izay teo amin’ny 143 451 ny mpizahatany iraisam-pirenena nitsidika an’i Madagasikara tao anatin’ny vanim-potoana mitovy hatrany. Manamafy ny tokony hisian’ny ezaka hahafahana misintona hatrany ny mpizahatany kosa ireo mpisehatra, ka anisan’izany ny fanamafisana ny fitrandrahana sy fampivelarana ny fizahantany, fanamboarana maika ireo làlam-pirenena sy ireo làlana miazo ny faritra ara-pizahantany, fa indrindra ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa amin’ny tontolon’ny fizahantany. Mitana anjara toerana manan-danja amin'ny toekaren'i Madagasikara, saingy tsy dia be dia be ny isan-jatony amin’ny harin-karena faobe na PIB (Produit Intérieur Brut) amin'ny ankapobeny satria mbola manodidina ny 3-4% amin'ny PIB io ho an’i Madagasikara. Na dia eo aza izany, mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanomezana asa sy ny fidiram-bola ho an'ny mponina, indrindra any amin'ny faritra manamorona ny tora-pasika sy ny toerana fisakafoanana. Ny famatsiam-bola sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa fa indrindra ny fanamafisana ny fandriampahalemana miaraka ny fitrandrahana ara-pizahantany maro izay mbola azo hampitomboina dia mety hampitombo ny fidiram-bola avy amin'ny fizahantany amin'ny ho avy. Raha manao fampitahana kely, mahatratra 3 tapitrisa isan-taona eo ny mpizahatany tonga atsy Maurice, ary mahatratra 25 hatramin’ny 30% amin’ny PIB ao an-toerana ny fizahantany. Ny antsika kosa any amin’ny 2028 no heverina hahatrarana 1 tapitrisa isan-taona. Kely sy bitika ny antsika hatreto, kanefa tsy manana ireo harena voajanahary ananan’i Madagasikara izy, raha tsy hilaza afatsy ny hoe : manodidina ny 80% ny karazana zavamaniry sy biby eto amintsika no tsy hita any amin’ny toerana hafa eto an-tany, raha tsy hilaza afatsy ny ragidro, ny baobab,… Mbola azo trandrahana tsara ny fizahantany eto, saingy mila paikady sy fitantanana mahomby.
Toky R
Sary : Minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tànana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT