FIZAHANTANY ETO ANALAMANGA

Mahatratra 3 hetsy isan-taona ireo vahiny matory amin’ny Hotely


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Ny 90%-n’ireo mpizahantany vahiny tonga eto Madagasikara isan-taona

dia mandalo eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Ny 3 hetsy amin’izy ireo isan-taona no fantatra fa matory amin’ireo karazana trano fandraisam-bahiny maro samihafa. Mba hahafahana mitazona azy ireo haharitra eto Analamanga ary dia namoaka ilay boky mitondra ny lohan-teny hoe : Tsidi-bohitra ny ORTANA na ny Ofisy rezionalin’ny fizahantany eto Antananarivo, misy pejy 128 isa. Mirakitra ireo karazana toerana mahafinaritra sy mahaliana eto amin’ny faritra Analamanga io boky io, azo hatao amin’ny alalan’ny dia an-tongotra, amin’ny bisikileta nefa mety amin’ny soavaly ihany koa. Na izany aza ny 60% -n’ny toerana azo tsidihina eto Analamanga amin’ny ankapobeny dia azo hatao amin’ny alalan’ny dia an-tongotra avokoa. Raha azontsika soa aman-tsara ireo mpizahantany vahiny marobe ireo dia mety hampiditra vola hatrany amin’ny 1 miliara sy 500 tapitrisa Ar any ho any isan-taona raha araka ny fanazavana azo. Samy manao ezaka hahafahana mitazona ireo mpizahantany vahiny hankafy an’Analamanga araka izany ireo tompon’andraikitra voakasika na dia hitsidika sy hankafy ny hankaton’ny tontolo ambanivohitra fotsiny aza.
Pati
Legende : Tafiditra ao anatin’ireo boky avokoa itony karazana toerana mampahalaza an’Imerina itony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT