Actualités

Fizahantany ara-tsakafo Nahaliana Malagasy sy vahiny ny Haify Malagasy mampihavana


  • Talata 23 Septambra 2014

Nahaliana sy nahasarika olona maro tokoa ny hetsika ara-pizahantany “Ny haify Malagasy mampihavana” notontosaina nandritra ny roa andro, 20 sy 21 septambra, teny amin’ny zaridainan’Andohalo. Hetsika natao indrindra hisintonana mpizahatany mandalo eto an-drenivohitr’i Madagasikara izy ity raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra.

Nohamafisin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo tonga nanokatra ofisialy ny hetsika ny sabotsy teo fa nomen’ny tanànan’Antananarivo lanja lehibe tokoa ity hetsika ity mba hitazonana ireo mpizahatany haharitra kely eto Iarivo fa tsy handalo fotsiny dia lasa. “Label” noforonin-dRtoa Mariette Andrianjaka io “Haify mampihavana” io ka nomeny maimaimpoana nampiasain’ny mpikarakara ity hetsika ity. Raha misy adiady kely eo amin’ny mpivady na mpifankatia hatramin’ny ankohonana aza, hoy izy, ka misy fiarahana misakafo amin’ny toerana nosafidiana manokana avy eo dia miravona ny disadisa fa ny fankafizana ny sakafo no mahaliana ny rehetra. Manana ny maha izy azy ny sakafo Malagasy, hoy Rtoa Mariette, fa tsy mila laron-tsakafo fa efa manana izany voajanahary ahitana ny tsiro 4 dia ny manganana, marikivikivy, mamimamy ary masiatsiaka. Singanina manokana amin’izany ny vary rojomenan’ny ntaolo nampoina izay ambolena an-tanety ary voasana fa tsy mba totoina. Tsy miankina amin’ny fotoana ny fahandraana sakafo fa ny tsiron-kanina no mitondra azy. Mila fianarana fototra farafahakeliny roa taona  tahaka ny nataonay ny fahandroan-tsakafo, hoy Rtoa Mariette, ary mila fandalinana an-taonany maro, 10 taona sakafo vazaha ary 3 taona sakafo gasy. Mila manao fikarohana ny mpahandro gasy, hoy izy, mba hahafantarana ny fomban-tany sy tsiron-kanina any amin’ny Faritra rehetra manerana ny Nosy tahaka ny nataoko niaraka tamin-dRtoa Justine Tsiranana tamin’ny fotoanandron’ny Repoblika voalohany nitety vohitra niaraka tamin’ny “Croix rouge Malagasy”. Dia hapetraka ny fanontaniana hoe : atao ahoana ny famoronana sy fananganana sakafo vaovao ? Ny sakafo mantsy, hoy ity manampahaizana manokana ity dia fiainana, fahafinaretana, fahasalamana ka tsy voafatotry ny fotoana. Ankehitriny dia efa eken’ny Iraisampirenena ny sakafo Malagasy ary mahatratra 400  karazana. Isika Malagasy anefa manaratsy tena rehefa misy nv vahiny tonga ka tsy sahy mampiseho masoandro ny sakafo malagasy fa mahamenatra, hono. Mampita fahalalana maimaimpoana ny Haify Malagasy mampihavana, hoy Andrianjaka Mariette.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

Hijery ny tohiny
FTT