Fizahantany

260 000 teo ireo nitsidika an’i Madagasikara ny 2023


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Nahatratra 259 850 ireo mpizahatany iraisam-pirenena tonga nitsidika

an’i Madagasikara nandritra ny taona 2023, raha ny tatitra avy navoakan’ny Minisiteran’ny fizatantany sy ny asa tànana. Nisy fiakarany 97% io mitaha ny tamin’ny taona 2022, raha ny tatitra. Ho an’ny volana desambra 2023 teo, nahatratra 30 718 ny isan’ny mpizahantany iraisam-pirenena tonga teto, raha toa ka 25 319 ny desambra 2019 izay namiratana teo amin’ny fizahantany, saingy voasongona. Na izany aza, raha ny antontan’isa amin’ny ankampobeny, dia voalaza fa latsaka -15% eo mitaha ny tamin’ny 2019 ny 2023. Voalaza ihany koa fa dia tsy nisy fiovana firy ireo firenena 10 voalohany manana olona betsaka tonga mitsidika an’i Madagasikara, fa i Repoblikan’i Tchèque kosa no niala, ary naka ny toerany i Chine. Efa zava-dehibe ny fivoarana mitaha ny tany amin’ny vanim-potoanan’ny coronavirus, saingy raisina ho fanoharana foana ity hoe : i Nosy Maurice izay tena bitika mitaha antsika dia mahatratra 3 tapitrisa isan-taona ny mpizahatany tonga ao aminy, raha toa ka mbola ambanin’ny 3 hetsy ny antsika, izany hoe : latsaky ny 10% amin’ny azy. Raha resaka toerana manintona sy mahaliana anefa, dia manana betsaka lavitra isika, saingy maro ny olana : fotodrafitrasa, làlana, fandriampahalemana,… Amin’ny lafiny ara-toekarena, nampiditra 534 tapitrisa dolara teo ny fizahantany ny taona 2023, ka ho an’ny Maorisianina izay tsy lavitra antsika izany dia mety mampiditra avo folo heny amin’io izany hoe : maherin’ny 5 miliara dolara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT