Fivoriamben’ny ONU

Goalahatra ny afera


  • Talata 22 Septambra 2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Nanainga omaly teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny delegasiona malagasy tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, nihazo an’i New York, Etazonia, hanatrika ny fivoriana faha-81 an’ny Firenena Mikambana. Ity fivoriana ity, izay nanomboka ny 18 septambra ary hifarana ny 28 septambra, dia hanangona Filoham-panjakana sy Filoham-pirenena manodidina ny 130 maneran-tany, mba hampita ny hafatra sy ny fomba fijerin’izy ireo manoloana ny toe-draharaha misy amin’izao tontolo izao. Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana fa fotoana iray izao hanararaotana ny fifampiresahana amin’ireo Firenena mpiara-miombona antoka sy ireo Firenena hafa, ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika ary ho fanarahana akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-jeopolitika manerantany. Ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ity hetsika lehibe ity dia manamarika ny finiavana hanamafy ny fisiany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fanoloran-tena amin’ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa maneran-tany. Tsara ny manamarika fa voarakitra ao amin’ny laharana faha-57 amin’ny fandaharam-potoana vonjimaika amin’ny fivoriana faha-81 an’ny Fivoriambe ankapoben’ny Firenena Mikambana ny raharaha momba ny Iles Éparses, dia ny Glorieuses, Juan de Nova, Europa ary Bassas da India, dia. Ity antontan-taratasy ity, izay efa voasoratra tsy tapaka ao anatin’ny asa ataon’ny ONU noho ny fangatahan’i Madagasikara, saingy nahemotra ho amin’ity fivoriana ity nandritra ny teo aloha. Ny fisoratana vaovao dia mitazona hatrany ny raharaha momba ireo nosy efatra ao anatin’ny fandaharam-potoana ara-diplaomatika iraisam-pirenena. Mba hisy fijerena amin’izay ve izy eto sa ny omaly tsy miova.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT