Fivoriamben’ny ONU faha-79

Voafidy ho Filoha lefitra dia hitondra inona ho an’ny Malagasy ?


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Voafidy ho filoha lefitry ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana faha-79 i Madagasikara

Voafidy ho filoha lefitry ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana (UNGA) faha-79 i Madagasikara mandritra ny fe-potoam-piasana hanomboka ny volana septambra 2024 hatramin’ny septambra 2025, araka ny seraseram-panjakana. Ny 06 jona teo no nandeha ny fifidianana, izay nambara, fa manamarika ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena ity andraikitra. Tsy isika irery, fa firenena 20 no mandrafitra ity filoha lefiitra ity ahitana an’i: Alzeria, Angola, Aotrisy, Barbade, Micronezia, Ghana, Guatemala, Italia, Kyrgyzstan, Moldavia, Sénégal, Thailand, Tonga, Turkmenistan, ary Venezoela, ankoatra an'ireo mpikambana dimy maharitra ao anatin’ny Filankevitry ny Fiarovana anivon’ny Firenena Mikambana (Etazonia, Frantsa, Royaume-Uni, Shina ary Rosia). Amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny biraon’ny Vondrona Firenena Mikambana, dia hanana andraikitra lehibe i Madagasikara. Noho izany, ny Filohan’ny Repôblika, Andry Rajoelina, no filoha lefitra handray anjara amin’ny fivoriana faha-79 amin’ny fivoriambe, hatao ny 24 hatramin’ny 30 septambra 2024. Manamafy ny fahavononany hatrany ny firenena malagasy amin’ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana, ny filaminana ary ny fampandrosoana maharitra, ary manantena ny hiara-hiasa amin’ireo firenena mpikambana rehetra ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena marolafy, hoy hatrany ny seraseram-panjakana. Tsy manamaivana ity toerana hanaovana serasera mipoapoaka tahaka ny fahasoavana be ho an’ny firenena ity, kanefa rehefa zohiana dia tsy dia tena hita ny lanjany rehefa tsy hay ny mampiasa azy, fa serasera tahaka ilay hoe : tompondakan’ny fanjarian-tsakafo avy eo manao kabary mipoapoaka fa mandany vola amina miliara dolara maro ny firenen-dehibe amin’ny ady any Ukraine kanefa ny mponina aty Afrika sy eto Madagasikara mila tohana ara-bola tokony hojerena. Tahaka izany ihany koa ny fifampiresahana sy fiaraha-maka sary amin’ireo olobe maneran-tany tahaka ny eo anivon’ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena, io serasera be atao any Genève io, kanefa ny diplaomasia tsy mandeha amin’izay laoniny ary misy aza ny fandroahana ankolaka diplaomaty tena manana ny toerany dia io mikatsokatso na mihisatra io ny fiaraha-miasa toy ny amin’ny Vondrona Eoropeanina. Tena andrasana izao ny hoe : hiady ny hampidirana ny « Iles éparses » ao anaty lahadinika sy fandaharam-potoana ary ve ny Fitondrana Rajoelina ka hahavita izany ? Tao anatin’izao fitondrana izao dia efa nihemotra hatrany io resaka ankoatra ilay fampanantenana poakaty fa hiverina alohan’ny 26 jona 2020 ireo nosintsika.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT