Nihaona voalohany tetsy Andraharo omaly ireo mpianatra avy ao amin’ny ivontoeram-pikarohana «Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires» na ny Instn etsy Ankatso sy ireo mpandraharaha ao amin’ny Fivmpama
Tamin’ny alalan’ny atrikasa no nisantaran’ny roa tonta ny fihaonany, izay mbola hitohy anio zoma folakandro. Nisy,
nandritra izany, ny famelabelarana sy fanazavana nataon-dRamaroson Voahirana, lehiben’ny tetikasa ao amin’ny sampana mahakasika ny fikarohana momba ny rano fisotro madio ao amin’ny Instn. Anisan’ny navoitrany ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana rano fisotro
madio sy ny teknika hahatongavana amin’izany. Tetikasa efa nampiharin’ireto mpianatra ireto tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy izy io ary tena nahitam-pahombiazana tokoa. Mba hahafahana mampahomby hatrany ny fikarohana hataon’izy ireo sy hahafahana manohana azy ary dia niantso azy ireo ny Fivmpama. Tafapetraka omaly ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, izay nosokafan’ilay famelabelarana nataon’ny mpianatra teny Ankatso fotoana maromaro lasa
izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.