Fiverenan’ny fahatapahan’ny

herinaratra


  • Alarobia 18 Martsa 2026

Nitroatra ny vahoakan’Andraisoro Andavapananona

Nitokona noho ny jiro tsy misy sy tapaka ny mponina eny Andraisoro Andavapananona omaly takariva. Efa 4 andro no tsy nisy herinaratra raha ny fanamarihana, antony nampitroatra ireo vahoaka. Olana ara-teknika sa delestazy efa voafaritra ? Ny tsapa sy tsikaritra dia nisy toerana tratry ny fahatapahana mahery vaika ny alin’ny alatsinainy teo ho an’ny faritra sasany teto Antananarivo izay naharitra ora efatra teo. Tsy nisy fanazavana ofisialy. Misy ifandrasany amin’ny tsy mbola fitsanganan’ny governemanta ve ? Misy ifandraisany amin’ny fahataran’ny famatsiana solika ho an’i Madagasikara ? Tonga nijery ny zava-misy ny Tale Jeneralin’ny Jirama, ka niverina ny herinaratra. Stratejika ary isan’ny antony nitoloman’ny vahoaka teny an-dalambe 5 volana lasa ny resaka herinaratra, nisy ny fivoarana sy fiovana tsapa taorian’ny fiovan’ny fitondrana, ary tena nihena ny fahatapahana,… Tsikaritra ho misy anefa ny fiverenan’izany olana izany, izay irariana mba hivaha haingana. Mbola betsaka ihany koa ny ambana mety hiteraka olana aoriana izay efa tokony hisiana fiomanana sy fandraisana fepetra dieny izao mba tsy sanatria hiverina ny fomba fiasan’ny fitondrana teo aloha izay nitanisa olana lava sy namahan-dalitra vahoaka. Fanamby sy lalan-tsaina noresahan’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarivelo afak’omaly rahateo ny hoe tsy misy afatsy fahombiazana, ary vokatra fa tsy asa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT