Fivelomana amin’ny angovo sy teknolojia

Mbola lavitra ezaka ho an’ny malagasy


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Rehefa maheno hoe maharitra 3 andro ny delestazy anya mina faritra sasany ao Mahajanga

na koa hoe herinandro mihitsy ny an’ny sasany amin’iny miankandrefan’iny ihany na ny tapany atsimon’ny nosy sy faritra hafa marobe dia efa ampy ilazana sahady izany rehetra izany fa mbola lavitra ezaka ho an’ny malagasy izany fivelomana amin’ny angovo sy tekinolojia izany. Raha ny fanazavan’ireo tekinisianina momba izay resaka angovo izay nefa dia zara raha ny 5% amin’ny antsoina hoe tontolon’ny angovo no singa entin’ny herinaratra. Izany aza ve tsy ahitam-bahaolana tao anatin’ny 15 taona mahery dia ahoana no ahafahana hiresaka singa hafa, izany hoe ilay 95%, ao anatin’izay tontolon’ny angovo izay. Iaraha-mahalala ny zava-misy, vao eto andrenivohitra fotsiny, fa mikaikaika amin’izao fotoana izao ireo mpanety amin’ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny. Toy izany koa ireo mpanefy vy na mpanao «soudure», ireo mpivarotra enta-madinika izay mitahiry sakafo anaty vata-fampangatsiahana, ireo manao asa ampitain-davitra na «télétravail», ireo mpampanofa fitaovana hahafahana manao izay fampitan-davitra izay na «cybercafé», izay asa rehetra miankina amin’ny tontolon’ny herinaratra mitohy any amin’ireny hairaha vaovao na tekinolojia ireny izany izao dia tsy misy izay tsy mikolay. Asa hoe firenena aiza eto ambonin’ny tany no misy sarana fifandraisan-davitra efa lafo dia lafo no mbola mora lany noho ny eto? Mbola tsy mihatra araka ny tokony ho izy ao anatin’izany koa anefa matetika ilay antsoina hoe hafainganam-pandeha ambony na «haut débit» fa tena miisatra dia miisatra na mi-ram, hoy ny filazan’ny tanora azy. Na ireo nalaza fahiny hoe «vente en ligne» na varotra anaty tambazotran-tserasera aza hita ho nihena dia nihena, noho izay saran’ny fifandraisan-davitra faran’izay mampikaikaika izay. Mety lafin-tsarany azo raisina ao anatiny ny hoe paikady nahombin’ny fitondram-panjakana hanenana ireo asa tsy manara-drafitra na «informel» saingy na tiana na tsy tiana dia nampitombo ireo tsy an’asa indray. Voizina moa ankehitriny ny antsoina hoe foarabe momba ny asa nomerika ka asa hoe hijanona hampanonofy hatreto ve?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT