Fivarotana tsaky voalavo, alika, ramanavy…

Andrasana ny fepetra raisin’ny tomponandraikitra


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Niparitaka tanaty tambazotran-tserasera tato ho ato ny sarina ankizy

eto an-drenivohitra mikarakara fatim-boalavo maromaro toy ireny fikarakarana akoho amam-borona na kisoa ho atao laoka ireny. Tsy vao izao no nahenoana ny resaka toy ity fa azo ambara hoe tato anatin’ny 5 taona farany fara-faha haingana no efa nahoraka tamina faritra maro manerana an’i Madagasikara koa ny fisiana tranga mitovitovy amin’izy itony, izay heverina fa tena naman’ny famitahana olona na koa famitahana ireo mpanjifa amina hotely sasany na mpivarotra hani-masaka eny rehetra eny. Lazain’ilay mpivarotra fa henan-kisoa no arosony anao, hay izany izy ity henam-boalavo. Lazainy fa akoho kay ramanavy. Ny fividianana tsaky eny amoron-dalana moa izany izao dia mila maha mailo tanteraka amin’ity resaka fivarotana tsaky voalavo, alika, ramanavy sy ny tariny rehetra ity. Ekena fa mety misy tokoa ny ho tia na hankafy mihitsy ilay tsiro fa ny ankamaroan’ireo izay naneho ny heviny aloha hatreto dia saika nilaza ho tafitohina manoloana izao fihariana heverina ho famitahana fiarahamonina izao avokoa. Andrasana, noho izany, ny fepetra raisin’ny tomponandraikitra tandrify manoloana ny tranga toy itony.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT