Marina ve tompoko fa namidin’ny fanjakana ny trano fonenan’ny filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert ?
Io no fanontaniana niantefa tamin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta omaly, saingy zavatra hafa tsy misy hifandraisany amin’izany mihitsy no nambarany, dia ny mahakasika ny fiarovana ny sisi-dranomasina. Hamafisina ny asan’ny sampandraharaha miantsoroka izany dia ny CERFIM satria betsaka ny mangalatra ny harenantsika, ary efa misy ny ezaky ny governemanta, hoy ny praiminisitra. Tany amin’ny tsy nivonto no nanaintaina, hoy ny fitenenana satria nodiany tsy fantatra ilay fanontaniana, izay mampanahy hoe tena ny fanjakana tokoa ve no nivarotra ny tranon’ny Pr Zafy Albert matoa niala bala ny praiminisitra ? Raha ny re amin’izao dia hoe efa lafo io tranom-panjakana izay nonenan’ny filoham-pirenena Zafy Albert io taorian’ny tsy naha filoha azy intsony, ary voalaza fa hanamboarana trano hafa ny vady aman-janany. Ny volana janoary 2018 no handray ny Villa Elisabeth ny olona nividy azy. Efa nifanarahana tamin’ny filoha teo aloha sy ny fianakaviany ve ? Mifamahofaho ny raharaha, ary vao mainka mampanjavozavo ny fanambarana navoakan’ny vady aman-janaky ny Pr Zafy Albert omaly hoe: izahay vady navela sy zanaky ny filohan’ny Repoblika teo aloha Pr Zafy Albert, dia manambara etoana fa ivelan’ny fianakaviana mivantana dia Andriamatoa Zafimahova Serge irery ihany no afaka miteny amin’ny anaran’ny fianakaviana. Taorian’ny fanambarana nataon’i Tabera Randriamanantsoa tamina onjam-peo tsy miankina iray no nivoahan’io. Nilaza ny hanao valandresaka amin’ny mpanao gazety ity minisitra teo aloha ity sy ny CRN ny alatsinainy 30 oktobra izao, ary mety hanao ampamoaka sy fanambarana goavana. Asa na ho raikitra na tsia. Mifamahofaho ny zava-drehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.