Fivarotana horonantsary mamoafady

2 lahy nadoboka am-ponja eny Antanimora


  • Alarobia 15 Mey 2024

Nosamborin'ny Polisy miady amin'ny heloka an’habaka ny tovolahy miisa roa ny faran'ny

 volana aprily teo rehefa nanaparitaka sy nivarotra horonantsary mamoafady izay nasehony zaza tsy ampy taona . Eto amin'ny tambazotran-tserasera Facebook izy ireo no mamporisika sy manao dokam-barotra mba hanjifan'ny daholobe izany horonantsary mamoafady izany ary mangataka "sarany kely". Nametrahana vela-pandrika ireto farany ka tra-tehaka tao amin'ny trano fonenany tetsy Tanjombato sy Amboditsiry izy ireo ny 22 Aprily teo. Rehefa nosavaina ny findain'izy roa lahy dia mbola nahitana sary sy horonantsary mamoafady.Natolotra ny fampanoavana ity raharaha ity ka naiditra am-ponja eny Antanimora izy roalahy. Tsara ny mampahatsiahy fa voararan'ny lalàna ny mamokatra , manaparitaka sy mivarotra ireny karazana horonantsary mamoafady haseho zaza tsy ampy taona ireny.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT