Tovovavy miisa valo ka tsy ampy taona ny iray sy ramatoa iray, izay ao anatin'ny asa mamoafady amin'ny tambazotra an'habaka (proxénétisme, pornographie,
traite de personnes, prostitution sur internet, attentat à la pudeur, esclavage indirect), no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa-ratsiny, ny harivan'ny 10 novambra 2020, tao Mahazoarivo Antsirabe. Ramatoa iray ansoina hoe Charline mipetraka ao Mahazoarivo Antsirabe no atidoha miketrika mampanao ity asa ratsy ity, ka manangona tovovavy tsy ampy taona asainy mivaro-tena avy amin'ny alalan'ny “internet”. Rehefa nahazo izany angom-baovao izany ny Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Antsirabe (Zandary vehivavy) dia nitsirika ifotony araka ny fahazoan-dalana avy tamin'ny Fitsarana. Tovovavy miisa valo no tra-tehaka nanao ny asa ratsiny, miboridana mivarotena samy eo anoloan'ny solosaina tsirairay avy, miaraka amin'ny fitaovana mamoafady. Marihina fa dia tsy ampy taona ny iray amin'izy ireo. Nofandrihina, avy amin'ny alalan'izy ireo i Ramatoa Charline ka voasambotra ihany koa, hoy ny zandarimariam-pirenena. Notanana natao andrimaso avokoa izy ireo, nogiazana ireo solosaina entin-ànana (ordinateur portable) miisa 10 ary ireo fitaovana mamoafady fampiasan'izy ireo. Voararan'ny lalàna velona: ny fivarotan-tena na fivarotana fahafinaretana ara-nofo tsy nahazoana alalana; ny fanararaotana ara-nofo noho ny faneréna ankolaka na mivantana; ny fampivarotan-tenan'olona mivantana na ankolaka; ny manimbazimba ny maha-olona; ny fampiasàna sy fanararaotana ara-nofo ny zaza tsy ampy taona, na dia antsitra-pony aza, na ankolaka na mivantana; ny asa-ratsy mamoafady natao an'habaka na an-tsary na horonan-tsary, misy tambiny ara-bola na tsia; ny fivarotana, fampiasana sy fampijaliana olona na fafinaretana ara-nofo, na inona na inona fomba fanatanterahana azy,… koa mba hiadiana amin'izany dia sahia mijoro, sahia mitoroka, hoy ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.