Ramatoa iray 25 taona manakarama vehivavy maromaro hivaro-tena anaty aterineto no saron’ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny SCES teny Ilafy.
Tao amin'ny tambajotran-tserasera facebook no nahitan'ireo vehivavy miasa ao aminy ny tolotra. Manana tranokalam-pifandraisana (siteweb)hifandraisany amin’ireo vehivavy nanaiky hokaramainy mihitsy io Ramatoa io ka ao izy no misera ireo vazaha mpanam-bola any ivelany hijery izay tiany. Mandefa ny sarimihetsik'ireo vehivavy manao fihetsika manaitaitra sy mamoafady mivantana amin' izay mandefa vola aminy izy, raha ny loharanom-baovao azo ka ny vehivavy iray dia hahazoan’ ity Ramatoa ity vola mientina 1. 800 000 Ar hatramin' ny 10 000 000 Ar. Manao izay tian’ilay vazaha hatao ilay tovovavy malagasy mandritra izany na tsy mifanaraka amin'ny hasin'ny maha olombelona azy intsony aza izany. Ireo tovovavy manao izany kosa milaza fa lehilahy 05 hatramin'ny 10 isan'andro eo no omen'izy ireo fahafinaretana ka maharitra 15mn hatramin'ny 30 mn eo ny faharetany. Mikarama 200 000 Ar eo ho eo ireto tovovavy ireto isam-bolana. 19 hatramin'ny 24 taona ny salan-taonan ' ireto ankizivavy mpampanofa vatana ireto ary indroa isan-kerinandro ihany izy ireo no afaka mody any an-tranony na dia mbola misy aza ny manohy ny fianarany. Ankizivavy 8 moa no tratra niaraka tamin’ity Ramatoa ity tao an-tokantranony niaraka tamina fitaovana toy ny sextoys, sy solosaina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.