Lehilahy tompona agence de voyage mampiasa fiara Grand Starex miisa dimy no nivadika tamin’ireo olona nivarotany izany. Namidiny avokoa mantsy ireo fiarany ireo ny volana desambra 2019 ka mitentina 50.000.000 Ariary ny vidin’ny iray tamin’izany.
Lehilahy iray no nividy ny telo ary olon-kafa kosa no nividy ny roa ambiny. Tamin’io desambra 2019 io ihany anefa ity lehilahy ity dia nangataka tamin’ireo mpividy ny fiarany mba hanofany ireo fiara ireo ka 1.500.000 Ar isam-bolana no alohany noho izy mila fiara amin’ny fanodinana ny orinasany. Raikitra ary ny fifanarahana ka napetraka tao amin’ilay agence de voyage ihany ireo fiara dimy ireo. Nanomboka ny volana aprily 2020 anefa dia tsy naharay ny hofan’ny fiarany intsony ireo tompona fiara ka nanapa-kevitra ny haka ny fiarany. Nanomboka teo anefa dia tsy hita no sady tsy azo antso intsony ilay lehilahy nanofa ireo fiara. Ny 17 septambra ary dia nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP1 Analakely ireo tompona fiara miisa dimy. Nokarohina avy hatrany ilay lehilahy tompona agence de voyage. Ny 15 oktobra teo izy no voasambotra tao Andrefan’Ambohijanahary. Niaiky avy hatrany izy fa namidiny ireo fiara miisa dimy izay nofainy ireo. Nokarohiny noho izany ireo olona nivarotany ny fiara. Tamin’io alakamisy io ihany dia hita teny amin’ny 67ha ny iray tamin’ireo fiara ireo. Rehefa nohadihadiana io mpividy io dia nilaza fa 50.000.000 ariary no nividianany io fiara io ary efa nofain’io lehilahy io ihany koa io fiarany io. Iray volana ihany koa anefa no nandoavany ny hofany dia tsy hita intsony izy. Efa saika tsy nomeny koa aza ilay fiara raha tsy nalaina taminy am-pitaka. Nogiazana teo anivon’ny CSP1 Analakely ilay fiara ankehitriny. Ilay lehilahy kosa dia naiditra am-ponja rehefa avy nandalo fampanoavana ny zoma 16 Oktobra teo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.