Actualités

Fitsiriritana tsy voafehy intsony Tratra teo am-panolanana vadin’olona i Brisily


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Aleo mailomailo foana amin’izao ho antsika vehivavy fa efa misy mahasahy miditra an-keriny amin’ny andro atoandro ao an-trano ihany koa ireo mpanolana.

Vadin’olona iray voalaza fa efa notsiriritin’i Brisily hatramin’ny ela no naolany omaly atoandro tany amin’ny distrikan’i Mananaratra Avaratra. Nidirany an-keriny tao an-tranony io vehivavy io raha vantany vao lasa niasa ilay rangahy vadiny, hoy ny loharanom-baovao azo. Niezaka ny niantso vonjy ilay ramatoa nandritra izany ka mbola tratra teo am-panolanana azy i Brisily. Avotra soa aman-tsara moa ilay Ramatoa raha efa nosamborina kosa i Brisily. Resahin’ny mpitsabo ombieny ombieny moa fa olona mifoka rongony amin’ny ankapobeny no tena mahavita manolana indrindra fa ireo manolana zazakely, vehivavy bevohoka.Mety olona manana olana ara-tsaina ihany koa no mahavta manolana, eo an-daniny ihany koa anefa dia misy avy amin’ny vehivavy ihany no mahatonga ny fanolanana toy ny fanaovana akanjo manify sy fohy loatra ka manaitaitra ny lehilahy eo an-tanàna ohatra na any am-piasana. Toraka izany koa ny fanaovana fihetsika manaitra filana.
Pati Legende : Brisly tratra teo am-panolanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT