Mitohy ny asan'ny Kaominina amin'ny fanabeazana ny olom-pirenena tsirairay amin'ny fomba fiainana sy ny fitsipika ifampifehezana eto Antananarivo Renivohitra,
hoy ny Fiadidian’ny tanàna tarihin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Tamin'ity faran'ny herinandro ity, dia niroso tamin'ny fanatanterahana izany teny amin'ny araben'ny fahaleovan-tena ireo sampan-draharaha isan-karazany : ny polisy monisipaly, ny mpamonjy voina, ny polisim-pirenena, ny eo anivon'ny tsena sy ireo maro samihafa. Nodiovina ny arabe avy eny andohan'Analakely ka hatrany amin'ny Gara Soarano. Nentanina hatrany ireo mpandalo hanaja ny toerana fiampitana eny amin'ny arabe. Nesorina ireo fiara maty ary efa manomboka miala tsikelikely ihany koa ireo mpivarotra sy mpivezivezy eny na amin'ny atoandro na amin'ny alina. Mandroso ny ezaka, fa anjarantsika tsirairay ny miaro sy mampaharitra izany. Arovy ny Tanànantsika, hoy ny toromarika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.