Lehilahy iray 23 taona no saron’ny Polisy teny Antaniavo ny Alarobia 24 may teo tokony tamin’ny 11 ora maraina rehefa nitsindrona rongony mahery vaika na roro.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo vaovao ny Polisy fa misy olona mitsindrona rongony mahery vaika eny amin’iny faritra Antsalovana iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy ka tratra teo am-pitsindromana tao an-tokantranony mihitsy ity lehilahy ity. Mbola nahatrarana fitaovana fitsindronana ihany koa tao aminy. Nandritra ny fanadihadiana natao azy dia niaiky tokoa ity farany fa mandray ity zava-mahadomelina ity ary efa am-bolana maromaro no nanaovany izany. Ny namany no mividy ireo rongony mahery vaika hampiasain’izy ireo. Tsy tratran’ny Polisy tao an-tokantranony moa ny naman’ity lehilahy voasambotra ity ary mbola tsy hita no misy azy hatramin’izao. Mitohy ny fikarohana.
Pati
Legende : Mangana be tahaka izao ny tanan’ilay tovolahy nitsindrona roro
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.