Fitsidihana ny valan-javaboaharin’Isalo

Mila manana hatrany amin’ny 300.000 Ariary


  • Alakamisy 16 Oktobra 2025

mitantara ny alahelony ny teratany malagasy

iray nizaha tany niaraka tamin’ny fianakaviany tany amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny omaly. Mampametra-panontaniana, hoy ity raim-pianakaviana ity, amin’izao fotoana izao hoe mbola antsika malagasy ihany ve i Madagasikara? Tsy afa-mitsidika ny valan-javaboaharin’Isalo izany izao, hoy izy, raha tsy manana 300.000 Ariary satria izay no ofan’ny mpiseradia na «guide» ho an’olona miisa 4 mandritry ny ora roa. Mody hoe 2000 Ariary ny fidirana, hoy ny fanazavàny, saingy tsy afaka mitety na inona na inona akory anefa fa tsy maintsy manana izay mpiseradia sandaina 300.000 Ariary. Nalahelo aho, hoy ihany ny tenany, satria isan’ny endriky ny tsy fahafahan’ny malagasy misitraka ny haren’ny taniny izany ka naleonay nivoaka moramora.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT