Fitsidihana ny rovan’i Madagasikara

Natomboka ny fampiasana tapakila elektronika


  • Alakamisy 24 Aogositra 2023

Roa volana taorian'ny fisokafany dia tafiditra tanteraka ho isan'ny toerana sy vakoka ankafizin'ny mpitsidika sy mpizahatany eto Antananarivo sy ny manodidina ny Rovan'i Madagasikara,

hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina omaly. Natomboka omaly alarobia 23 aogositra ny fampiasana ny tapakila elektronika manaraka ny vanim-potoanan’ny fivoarana. Fiaraha-miasan’ity minisitera ity sy ny orinasa MANOOVA no nahafahana nametraka ny milina elektronika mba hanamora ny fandraisana ny mpitsidika. Nazavain’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa araka ny toromariky ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, no nametrahana an'io milina ara-kajy mirindra io ary manomboka izao dia azo jifaina amin’ny tranonkala www.ticketplace.io ny tapakila ho an’ny mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara. Vao miditra amin’io tranonkala io dia hita avy hatrany ny torolàlana ahafahana misafidy ny tapakila ilaina na ho an’ny ankizy izany na olon-dehibe na vondron’olona na teratany na vahiny. Ankoatra ny fitsidihana io tranokala io dia mitohy ihany koa ny fivarotana ny tapakila eny an-toerana amin’ny alalan’io E-TICKET io ihany. Manodidina ny 1000 isa isan'andro ary mananika ny 2000 ny faran'ny herinandro ny olona mitsidika ny rova tato anatin’izao fialantsasatra izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT