FITSARANA MIARAMILA

Hanomboka ny 06 Jolay ny eto an-drenivohitra


  • Alarobia 03 Jolay 2024

Hanomboka ny Sabotsy 06 Jolay ho avy izao ny Fitsarana miaramila manerana ny tanin’ny Repoblika.

Nandritra ny fanambarana nataon’ny talen'ny Fanompoam-pirenena sy ny Fitantanana ny Fiandry eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy no nahafantarana izany. Ireo zatovolahy sy zatovovavy mizaka ny zom-pirenena malagasy, teraka ny taona 1993 ka hatramin'ny taona 2005 no ho voakasik’izany. Hanombohana izany ny eto Antananarivo renivohitra izany fitsarana miaramila izany amin’io andron’ny Sabotsy 6 jolay ary tsy hifarana raha tsy ny Alahady 04 aogositra taona 2024. Eny amin'ny Kianja Betongolo no hanaovana izany manomboka amin'ny 8ora maraina ka hatramin'ny 3 ora tolakandro. Marihina fa misy foana ny fitsarana ho miaramila na Sabotsy na Alahady mandritra io fotoana io. Ny any amin'ireo Renivohi-paritany teo aloha kosa, dia hanomboka ny Sabotsy 17 aogositra izany, hifarana ny Sabotsy 24 aogositra 2024. Aorian'izay dia manomboka ny any amin'ireo distrika rehetra manerana ny Nosy, sy ny any amin'ireo kaominina maro ny fitsarana. Tsy misy moa ny vola haloa amin'ny fitsarana ho miaramila fa penina manga sy karapanondrom-pirenena no entina.
Pati
Legende : Raikitra indray ny fitsarana miaramila manerana ny Nosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT