Fitsarana miaramila 2024

Ny 17-24 aogositra ho an’ireo renivohi-paritany dimy


  • Talata 13 Aogositra 2024

Efa mivoaka eny amin'ny biraon'ny fiarovana eny anivon'ny Distrika ny tetiandro

ho an’ny any amin’ny distrika, ary efa misy ny fampafantarana ataon'ireo tomponandraikitra momba ny fitsarana miaramila ho an’ity taona ity. Amin’ny ankampobeny kosa, dia ny sabotsy 17 aogositra izao ka hatramin’ny 24 aogositra izany any amin’ny renivohi-paritany teo aloha : Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa ary Toliara, araka ny fampahafantarana ofisialy. Ny zatovolahy sy zatovovavy mizaka ny zom-pirenena malagasy, teraka ny taona 1993 ka hatramin'ny taona 2005 no entanina amin’izany mba hanefa ny adidiny amin'ny fanompoam-pirenena, hoy ny fanamarihana. Voafaritry ny lalàna moa ny tsy maintsy hanaovana fitsarana miaramila sy ny fanopoam-pirenena, ary misy ny lalàna sy ny sazy mifandraika amin’izany raha toa ka tsy nahavita azy io. Anisan’ny mety hiteraka olana samihafa toy ny taratasim-panjakana ilaina amin’ny ambaratonga maro, asa, fianarana any ivelany,… ny tsy nanaovana fitsarana miaramila.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT