Niaiky ny filoham-pirenena omaly fa misy ny lesoka eo anivon’ny fitsarana Malagasy nandritra ny fanokafana ny fikaonan-doham-pirenena ataon’ireo holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara teny amin’ny hotely Carlton Anosy
Manoloana izany dia maro ireo olona no tsy mametraka fitokisana intsony amin’ny fitsarana eto amintsika. Betsaka, hoy izy, ny lesoka tsy maintsy arenina, anisan’izany ny kolikoly izay tena mamotika ny firenena, eo ihany koa ny fisian’ireo tsy maty manota ka milaza ho ambonin’ny lalàna. Ireny rehetra ireny tsy mbola hahitam-bahaolana, hoy hatrany ny filoha. Nolazainy fa tokony hitovy daholo ny rehetra manoloana ny fitsarana. Mila ezaka, hoy izy, ny fametrahana ny tany tan-dalàna ary ny rehetra no miara-mientana mba hisian’izany. Hitohy anio ny hetsika ary rahampitso no hivoaka ny volavolan-kevitra entina hanatsarana ny asa eo anivon’ny fitsarana, indrindra ny an’ny mpisolovava.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.